Accès au vaccin antiCovid pour les Malagasy et résidents qui le souhaitent- Teny Malagasy

Le problème

Avelao ny Malagasy sy ny teratany vahiny izay maniry hatao vakisiny fanefitry ny Covid-19 mba hahita malalaka izany eto Madagasikara.

Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara,

Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka,

Amin’ny toetsaina mikatsaka hatrany ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny hetaheta hahitàna ny vahaolana handresena tanteraka ity valanaretina COVID-19 ity, dia voninahitra ho anay olontsotra tsy mpanao politika ny mampita aminareo izao fanangonantsonia manaraka izao.

Toy ny firenena rehetra maneran-tany, dia ao anatin’ny ady mafy amin’ny valanaretina COVID-19 i Madagasikara. Nisedra ny voka-dratsin’izany teo amin’ny lafiny rehetra izao tontolo izao, eo amin’ny mahaolombelona, ara-tsaina, ara-pahasalamana, ara-toekarena.  Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondra-panjakana Malagasy hanakatona ny sisitany haingana, vantany vao voatily ny tranga voalohany, herintaona latsaka kely lasa izay, dia nanampy be dia be tamin’ny fiarovana ny Malagasy amin’ity areti-mandoza ity.

Volana vitsivitsy lasa izay dia namoaka ny vokatra tsaran’ny andrana tamin’ny vakisiny voalohany fanefitrin’ny COVID-19 ny manampahaizana erantany. Niteraka fanantenàna lehibe ho an’izao tontolo izao izany.Indrisy anefa fa dia diso fanantenana avy hatrany ireo Malagasy nanantena izany raha nahita fa iMadagasikara dia tsy ao anatin’ny lisitra COVAX Facility, izay lisitry ny  firenena afaka hisitraka maimaimpoana io vaksiny io.    

Noho izany indrindra no isarihana ny sainareo amin’ny alàlan’ity hafatra ity hijery ny hetaheta sy fanirian’ny ampahany amin’ny vahoaka Malagasy mba hatao vaksiny fanefitry ny Covid-19. Koa dia amim-panetretena no angatahana aminareo mba hanao izay hahafahan’ny Malagasy rehetra maniry izany hahazo io  vakisiny io. Ny tanjona dia mazava fa ny hahazahoan’ny vahoaka Malagasy sy ireo teratany vahiny monina eto Madagasikara hanana SAFIDY MALALAKA hanao na tsia ity vakisiny ity.

Ny resaka vaksiny moa dia fantatra fa mitondra fanontaniana sy fanoherana hatrany. Azo raisina tsara ny tsy faneken’ny ampahan’ny vahoaka izay tsy mila na tsy maniry  hatao vaksiny, ary tokony ho hajaina izany fahafahany izany. Fa zava-dehibe koa ny tokony hihainoana ny feon’ny Malagasy maniry ny hatao vaksiny mba ho fiarovany ny tenany sy ny havany aman-tsakaiza. Misy amin’ireo sokajin’olona ireo ny olona marefo mety ho lasa marary mafin’ny Covid-19, ny olona miasa amin’ny sehatry ny fitsaboana, ny miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana, eny na ny olom-pirenena rehetra aza na iza izy na iza.

Koa satria demokrasia no misy eto Madagasikara, izany hoe fitondràna avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka, dia maniry koa raha maniry izahay mba samy ho henoina sy ho tsinjovina ny safidin’ny rehetra tsy ankanavaka, indrindra moa fa safidy misy fiantraikany mivantana sy lehibe eo amin’ny fiainany sy ny fahasalamany toy ny amin’ity vaksiny fanefitra amin’ny Covid-19 ity.

Zo fototra ny fahazahoana misitraka ny vakisiny ka ny tsy fahafahana mahazo manao izany dia vao mainka hampitombo sy hampihombo ny ahiahy, ny tahotra, ny fahoriantsaina iainan’ny maro hatramin’izay niantombohan’ity krizy ara-pahasalamana ity izay. Antitranterina indray fa ny safidy malalaka ho an’ny tsirairay  hahazo misitraka ny vakisiny no tsy maintsy tandrovina.

Misaotra anareo amin’izay ezaka rehetra ataonareo ary mirary fahombiazana amin’ny andraikitra iantsorohanareo.

Raiso, Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny haja ambony atolotra anareo.
 
Victoire
Cette pétition a abouti avec 266 signatures !

Les décisionnaires

PRESIDENCE DE MADAGASCAR
PRESIDENCE DE MADAGASCAR

Mises à jour sur la pétition