🇲🇬 Charte Génération Z Madagascar -231025-2019

Le problème
(Version Malagasy)
🇲🇬Dina Iorenanan’ny Génération Z
Rafi-baovao izay miorina amin’ny firenena
Mahaleotena, ny fandraisan’ny olom-pirenena mivantana anjara amin’ny
Fanapahan-kevitra sy ny fitantanana arak’ izay iriany.
Tari-dresaka
Izahay tanora, olom-pirenena Malagasy manerana ny Nosy, avy amin’ny faritra tsy ankanavaka, samihafa finoana sy samihafa fiaviana dia miray hina hanorina hoavy mendrika sy mahasoa ny Tanindrazana. Noho izany, dia manolo-tena sy manome toky izahay fa hanorina rafi-baovao mifototra tanteraka amin’ny : fahaleovantena sy fangaraharahàna ary fandraisana andraikitra amin’ny fianam-pirenena.
Koa satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra, natao izao dinam-piaharamonina izao mba ho fifanekenay tanora sy ireo fiarahamonim-pirenena, ireo antoko politika, ireo mpandraharaha, ireo mpikaroka ary ireo mpitandro ny filaminana tsy an-kanavaka. Ity dinam-panorenana ity dia manolo-kevitra, ho fanavaozana ny fianam-piarahamonina: fifanarahana miorina amin’ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny teny ierana ho tombotsoa iraisana ary ho fampandrosona ny Firenena.
Tsy manaiky izahay ho taranaka tsy mahalala ny niaviany, ny kolontsainy, ary ny tantarany. Fa misafidy kosa ny ho taranaka mahiratra : mahafantatra ny zony, ny adidiny ary ny heriny – ho hery manosika ny fiovana.
I. Ireo soatoavina ijoroana
1. Ny fisian’ny mangarahara tanteraka
Izay zava-drehetra atao: ny famantsiam-bola, ny fanapahan-kevitra raisina dia tokony hisy antony, ho azon’ny rehetra jerena ary ho azo arahina.
Ireo fanapahan-kevitra raisina, ireo famatsiam-bola sy izay rehetra atao dia tokony ary tsy maintsy hisy antony mazava sy ara-drariny, mangaraharaha sy voaporofo ary azo arahina avokoa.
2. Ny itovian-tàntana
Ny fanovana rehetra izay atao dia tsy misy dikany raha tsy manatsara mivantana ny fiainan’ireo tena sahirana ary mametraka hatrany ny rariny.
3. Ny fandraisan’andraikitry ny rehetra
Ny vahoaka Malagasy irery ihany no mandidy sy manapaka izay ho fanovàna ary izany dia miatomboka amin’ny fanajàna ny teny nomena isan’ambaratongany.
4. Manompo vahoaka ireo andrim-panjakana
Ny fanovàn-drafitra dia tsy fandrodanana fa famerenana amin’ny laoniny ny andraikitry ny fanjakàna, dia ny fanasoavana sy fanompoana ny olom-pirenena izany.
5. Fanabeazana, Fahaizana ary Fahamarinana
Ireo mianatra, manam-pahaizana mizara amin-kitsipo ny fahalalany, hanompoana ny tanindrazany anaty fahamarinana no antoky ny ho avy.
6. Fihavanana sy firaisankina
Ny firaisankina no hery, entintsika hanasoavana sy hampandrosoana ny fiaraha-monina.
II. Tanjona Iombonana
1. Fanavaozana andrim-panjakàna
Ny fanavaozana andrim-panjakana dia tokony hiainga avy amin’ny fikaonandohan’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny (manam-pahaizana, olobe, fiarahamonim-pirenena, mpitandro-filaminana, sns..). Io rafitra vaovao io dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny faniriana sy ny filàn’ny fiarahamonina tsirairay avy.
2. Fandraisana andraikitra sy Fahatongavan-tsaina faobe
Izahay dia manambara ny finiavanay hanamafy ny Firaisan-kina sy ny Fihavanana, ny hamolavola ny maha-Malagasy mifototra amin’ny tantarany, hanovo ny fitiava-Tanindrazana eny an-doharanon’ny soatoavina Malagasy.
Izany no atao, mba hahafahany taranaka any aoriana mandova foto-pisainana mendrika sy mahaleo-tena.
Ny tanjonay dia :
● Hanandratra ny harena ara-kolotsaina isam-paritra
● Hanabe ny olom-pirenena rehetra momba ny tantarany marina
● Hampirisaka ny fandraisan’ny tsirairay anjara amin’ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.
3. Fanaraha-maso ny Fanajana ny Zo Fototra
Izahay dia manome toky fa hanaja ny zo fototry ny olom-pirenena Malagasy tsy an-kanavaka. (“lanceur d’alertes”, mpanao gazety, sendika, mpianatra, sns.)
4. Fampandraisan’anjara ny tanora tsy akanavaka
● Fampiofanana ny tanora, hahay handray andraikitra, ho olo-marina sy ho olom-banona
● Fampandraisana anjara ireo tanora amin’ny dinika sy fanapahan-kevitra rehetra
● Fitsinjovana ny miralenta eo amin’ny sehatra manontolo
5. Fangaraharàna sy fahaiza-mitantana
Izahay dia miady ho an’ny:
● Fampahafantarana ara-potoana ny fanampahan-kevitra, ny fandaniam-bolam-panjakana ary ny valin’ny “audit”
● Fangaraharan’ ny tanjona apetraka ary ny fizotran’ny asam-panjakana.
● Fanatsarana sy fanafainganana ny asam-panjakana
● Filazàna ny tsy fahombiazana rehetra eo anivony rafi-panjakana rehetra
Izany dia mba antoky ny fitantanana marina sy azo antoka.
III. Tsy azo leferina
1. Ny fampiasàna ny herisetra amin’ny endriny rehetra ary koa ny fanaparam-pahefàna
2. Ny fanitsakitsahana ireo zo fototra (fahafàhana maneho hevitra, fandriampahalemana, sns.)
3. Ny fampiasana ny andrim-panjakana ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy.
4. Ny kolikoly amin’ny endriny sy sehatra ary ambaratonga rehetra
5. Ny fifidianana sy ny fanendrena tompon'andraikitra an-katerena sy amin’ny fomba tsy mangarahara
IV. Fifanekena
● Ity dina ity dia afaka soniavin’ny olom-pirenena sy vondrona rehetra tsy an-kanavaka, izay manaiky ireo voalaza rehetra etsy ambony.
● Ny fanaovan-tsonia dia midika fanekena tanteraka ireo andininy rehetra misoratra ao. Ny mpanao sonia tsirairay dia manaiky ny hizara ampahibemaso ny asa ataony sy vitany amin’ny izany.
● Ity dina ity dia misokatra amin’ny fanavaozana mba hifanaraka amin’izay fanampahan-kevitrin’ny be sy ny maro mba ho fitandrovana ny mangarahara hatrany.
Dina Génération Z Madagascar – 2025
HO AN’NY TANINJANAKA! 🇲🇬✊🏼
-----------------------------------------
(Version Fr)
Contexte
Madagascar vit un moment décisif. Le problème n’est pas un visage. C’est un système qui ne sert plus le peuple. La Charte Génération Z Madagascar propose un contrat civique simple :
- Souveraineté,
- Transparence,
- Participation,
- Dignité.
Concrètement : Priorités vitales eau et électricité, accès public à l’information, audits et reddition de comptes, implication directe de la jeunesse et de la société civile depuis les fokontany.
Lignes rouges : Non aux violences et aux abus, zéro tolérance pour la corruption, protection des libertés.
La fenêtre de tir se referme : Changer de tête sans changer les règles ne résoudra rien.
En signant, vous donnez mandat à une refondation pacifique, légale et opérationnelle, fondée sur le consentement du peuple.
Signez. Partagez. Mobilisez.
🇲🇬Charte Génération Z Madagascar
Pour une refondation populaire, souveraine et participative de la Nation
Préambule
Nous, jeunes citoyennes et citoyens de Madagascar, issus de toutes les régions, croyances et origines sociales, unis par la volonté de bâtir un avenir digne, juste et prospère, déclarons notre engagement pour la mise en place d’un nouveau système, bâti sur des fondations entièrement différentes : la souveraineté nationale, la transparence, la participation du peuple et la dignité collective.
Conscients que la véritable transformation ne peut venir que de tout un peuple éclairé, responsable et solidaire, nous affirmons que cette Charte constitue un contrat social civique entre la jeunesse, la société civile (dont les sages, paysans, enseignants, techniciens, etc.), les partis politiques, les acteurs économiques et les forces armées. Elle propose une nouvelle manière de vivre le collectif : un engagement réciproque fondé sur les principes du « Fihavanana », « Firaisan-kina » et « Teny Ierana » au service du bien commun et du développement de Madagascar.
Nous refusons d’être une génération sans mémoire (rompue à son identité, de sa culture et de son histoire) et sans vision claire. Nous choisissons d’être une génération lucide : consciente de ses droits, de ses devoirs et de sa force collective – un moteur de changement.
I. Nos valeurs fondamentales
1. Transparence absolue
Chaque action, chaque financement, chaque décision doivent être publiques, motivées, traçables et justifiées.
2. Justice et équité
Aucune réforme n’a de sens si elle n’améliore pas la vie des plus vulnérables.
3. Responsabilité collective
Le changement sera dicté par la volonté du peuple Malagasy et cela commence par la cohérence entre nos paroles, nos actes et nos valeurs.
4. Respect des institutions envers le peuple
Réformer l’État, ce n’est pas le détruire ; c’est le ramener à sa mission première : servir le peuple.
5. Éducation, compétence et intégrité
L’avenir appartient à celles et ceux qui apprennent, partagent le savoir et servent le pays avec intégrité.
6. Fihavanana et firaisankina
Notre force est dans le lien social Malagasy, pour servir l’intérêt général.
II. Nos objectifs communs
1. Refonte institutionnelle
La refonte institutionnelle doit émaner d’une réflexion collégiale (techniciens, sages, représentants de la société civile, force de l’ordre et autres parties prenantes concernées) sur un nouveau système basé sur les besoins et aspirations collectées depuis les communautés locales (fokontany/commune).
Cette refonte considérera la diaspora comme prolongement vivant du peuple Malagasy, porteuse des mêmes valeurs, droits et devoirs en tant que Malagasy.
2. Responsabilisation citoyenne et éveil national
Nous affirmons notre volonté de renforcer l’unité nationale, de construire notre propre identité à travers la valorisation de notre histoire, la mise en avant de nos valeurs communes et la garantie d’un avenir prospère pour les générations futures.
Nous aspirons à :
● Promouvoir la richesse de la diversité ethnique et culturelle de Madagascar
● Éduquer et conscientiser la population sur l’histoire réelle du Pays et son Peuple
● Favoriser la participation citoyenne dans la vie politique, économique et sociale du Pays.
3. Veille au respect des droits fondamentaux
Nous nous engageons à faire respecter les droits fondamentaux de tout le peuple Malagasy sans exception. (lanceurs d’alerte, journalistes, syndicats, étudiants, diaspora, etc.)
4. Implication active de la jeunesse sans distinction
● Former une jeunesse compétente, éthique, consciente et responsable.
● Assurer leur participation directe dans les réflexions et décisions politiques à tous les niveaux.
● Favoriser l’égalité des chances : accès à l’information, à la formation, aux soins, aux opportunités et aux infrastructures.
5. Transparence et bonne gouvernance
Nous militons pour :
● le partage régulier des décisions, dépense et audit publique,
● la clarté sur les objectifs et le fonctionnement des services publiques
● l’optimisation des instances et services gouvernementales : efficacité des ressources utilisées
Ceci afin de garantir une gouvernance claire et responsable.
III. Nos lignes rouges
1. Refus de toutes formes de violence et d'abus
2. Refus de toute violation des droits et libertés fondamentaux incluant la liberté d’expression et le droit à la sécurité.
3. Refus de l’usage des institutions à des fins contraires à l’intérêt général.
4. Intolérance à la corruption et à toutes formes d’injustice.
5. Refus de toutes élections, scrutin, mode de nomination et prise de responsabilités publiques qui ne sont pas justes, libres, équitables et transparentes.
IV. Engagement et méthode
● La Charte est ouverte à signature à ceux qui partagent les objectifs et valeurs évoqués dans ce présent document
● Chaque membre signataire s’engage à respecter ces principes, à rendre compte publiquement de ses actions.
● La Charte ci-présente n’est pas figée et peut être soumise à la discussion collective. Une cellule de veille citoyenne est chargée d'en assurer le suivi, la transparence et l’actualisation régulière.
Signez. Partagez. Mobilisez.
Charte Génération Z Madagascar – 2025
HO AN’NY TANINJANAKA!🇲🇬✊🏼
2 749

Les décisionnaires
Partager la pétition
Pétition lancée le 21 octobre 2025