Pétition fermée

FANANGONAN-TSONIA HO FAMPITSAHARANA NY FITRANDRAHANA HARENA ANKIBON'NY TANY ETO MADA

Cette pétition avait 122 signataires


FANANGONAN-TSONIA HO FAMERANA NY FITRANDRAHANA GABORARAKA NY HARENA ANKIBON’NY TANY ALOHAN’NY FANAVAOZANA SY FANATSARANA NY RAFITRA SY NY FITANTANANA IREO HAREM-PIRENENA IREO
Niatrika krizy ny firenena Malagasy nandritra ny dimy taona (2009-2013) izay nokasaina mba  hametrahana lamina vaovao sy fampandrosoana mirindra ho an’ny firenena. Niroso tamin’ny Repoblika faha IV kosa isika nanomboka ny taona 2014, ary maro ireo fanamby izay napetraka hamahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Anisan’izay nandrandrain’ny maro ny teo amin’ny lafiny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, izay fanoitra anankiray hialana amin’ny vesatry ny fahantrana sy ny fanarabiana fa : « i Madagasikara dia manan-karena, fa ny Malagasy kosa dia mahantra ».

Hiatrehana izany indrindra no nametrahana ny Ministère auprès de la Présidence en charge des Ressources Stratégiques. Ka ny 13 Mai 2014, kabary voalohan’Andriamatoa Minisitra Valérien Lalaharisaina no nanambarany fa hapetraka ny POLITIKA VAOVAO hifehezana ireo harena ankibon’ny tany :

Ahafahantsika mametraka ny maha matihanina (professionalisme) ;
Ho fampandrosoana maharitra, sy ho fiarovana ny tontolo iainana ;
Apetraka kosa ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra eo @ ireo mpian-tsehatra rehetra tafiditra ato anatin’ny sehatra voalaza ;
Ary havaozina  manarak’izany ny cadre légal et réglementaire mahakasika ity sehatra ity dia ny Codes Minier et Pétrolier izany ;
Apetraka indrindra izany hoy izy mba hiarovana ny ho tombotsoa ambonin’ny besy ny maro @ fitrandrahana azy ireny.

Tonga ity ny volana Oktobra taona 2016, indrisy, mbola maro ireo tranga izay tsy ahitana fivoarana, izay mbola manahirana eo @ sehatry ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto amin’ny firenena :

Mihamitombo ireo tanàna sy toerana maro manerana ny Nosy no ahitana savorovoro, korontana, fimenomenomana sy fanakianana mahakasika ny harena ankibon’ny tany misy ao aminy raha tsy hitanisa afa-tsy izay miseho any : Tsarazaza Fandriana, Bealanana, Mahabako Manakara, Soamahamanina Itasy, Bekisopa, Sakaraha Atsimo Andrefana, Manantenina, Mananjary, … Midika izany fa olana eo anivon’ny firenentsika izy ity ;
Ny fomba fampiharana ny fitrandrahana dia mbola mampitombo ireo malagasy izay very zo eo amin’ny tanin’ny razany, ary voatery mandao izany noho ny fitrandrahana hatao (ao anatin’ny ampolotaonany maro), kanefa tsy dia mazava sy tsy mahafa-po ny « mesures d’accompagnement » raisin’ny fanjakana sy ny mpitrandraka ; Mampitombo ny fahantrana izay efa misy izany ary manome vahana betsaka kosa ireo orin’asa mpitrandraka
Manoatra noho izany, mbola goragora ny fitantanana izany harem-pirenena izany ary betsaka ireo izay mbola manondrana antsokosoko izany ka miteraka fatiantoka goavana ho an’ny kitapombolam-panjakana, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, ary ho an’ny vahoaka : Ohatra vao tamin’ny 28 Septembre lasa teo : Volamena 24,577 kg no kasaina haondrana antsokosoko izay mitentina any @ 2,97Miliara Ariary (Source : Midi n°10.067 du 30 Sept 2016). Azo ambara tsy ampihambahambana izany fa am-polony miliara isan-kerinandro no vola very ho an’ny fitondram-panjakana ka tsy tokony  hisalasala na ny handraisana fepetra hitsaharan’izany.
Tsy fantatra intsony ny fitrandrahana ara-dalana sy ny fitrandrahana avy amin’ny fahazoan-dalana hosoka : raha natao ny fanadihadiana ny 23 Aprily 2015 dia misy hatrany amin’ny 5.187 ny fahazoan-dalana hosoka satria raha 7.324 ny fahazoan-dalana ofisialy izay ahitana 712.807 carrés miniers, maharakotra 18 millions Ha, dia 12.511 kosa ny fahazoan-dalana voaisa izay ahitana 3.859.834 carrés miniers, maharakotra hatrany amin’ny 151 millions Ha (Source : Projet TARATRA du 06 Août 2015). Zava-doza arak’izany ny mahazo ny firenena raha tohizana ny fitrandrahana satria any @ 3.174.027 carrés miniers no tiana ho trandrahana nefa tsy ara-dalàna, izay maharakotra hatrany amin’ny 123 millions Ha. Hatraiza no mbola ho fatiantoky ny fanjakana raha tsy misy fepetra hentitra raisina faran’izay malaky. (1 carré = 39,0625 Ha)
Eo amin’ny lafiny fandrindrana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany dia tsy mbola mazava ny laharam-pahamehana amin’ny toerana iray na ny fiarovana ny tontolo iainana, na ny fambolena na koa fiompiana, na ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany. Tsy nisy ny  adi-hevitra na hahafahana mamaritra izany ka izay avy any @ fitondrana foibe dia milaza ho laharam-pahamehana foana, zary lasa ho tery vaimanta ny fahitana azy. Andao aloha mba hapetraka ny rindram-piaraha-monina ahafahantsika miatrika ny laharam-pahamehana ho fitsinjovana ireto vahoaka Malagasy izay efa sahirana sy mahantra ka hirosoana mankany amin’ny fampandrosoana isan’ambaratonga.
Etsy ankilany dia tanjona maneran-tany ny fampandrosoana maharitra ary vao tsy ela akory izay ny firenentsika no nanao sonia ny famahana olan’i COP 21. Mba ahafahana mikajy izany dia manery antsika izany hametraka rafitra sy fomba fitrandrahana tsaratsara kokoa. Iaraha-mahalala ny fahasimban’ny tontolo iainana eto amintsika, anisan’izany ireo toerana izay misy ireo harena ankibon’ny tany ireo (ex : Tsarazaza Fandriana).Ampahatsiahivina fa ny ODD dia mametraka ho laharam-pahamehana ny lafiny ekonomika sy indrindra ny lafiny sosialy izay fototra alohan’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fikatsahana  fampandrosoana. Raha ny zavatra iainana anefa ao anatin’ny fitrandrahana dia ambinambin-javatra izany sosialy, fampandrosoana eo an-toerana, na ny fiarovana ny tontolo iainana izany raha ny                                                                                                                                                           fomba fiasa hatramin’izay no tohizana hatrany.
Eo anatrehan’izany trangan-javatra izay iainana sy manahirana izany dia manolotra izao soso-kevitra izao izahay  olom-pirenena manao sonia etsy ambany, solon-tena avy amin’ny faritra maro mba ho tombotsoa ambonin’ny be sy ny maro :

Ampifanarahana amin’ny vina sy tanjona napetraky ny PND ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara, izay mametraka ho ambony ny fampandrosoana mifahatra @ fampandrosoana ny vahoaka sy ny taniny ; ny fitondrana tsara-tantana ; ny fiarovana ny tontolo iainana ; …
Ny fanodinana eto an-toerana ireo harena voatrandraka alohan’ny mety hisian’ny fanondranana. Antoky ny fametrahana ity sehatra ity ho fanaingan’ny fampandrosoana ny firenena izany
Ny fanomezana lanja bebe kokoa ny fanjakana sy ny vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana amin’ny fahazoana ny « redevances sy ristournes minières »
Ny fampitomboana ny tahirim-bolamena eny anivon’ny Banky Foiben’ny Madagasikara
Ahena ny haben’ny« carré minier »iray mba hanamorana ny fifehezana azy
Ahena ihany koa ny hangezan’ny faritra azon’ny société iray trandrahana fa tsy hatramin’ny 10.000 km2 ohatry ny amin’izao
Tokony ampahafantarina sy ampianarina ny vahoaka eny an-toerana ny otri-karena misy eo anivon’ny kaominina iray, sy ny tokony hatao mba hahafahan’izy ireo misitraka izany harena izany, apetraka fa tokony anisan’ny hisitraka voalohany ny harena misy eto Madagasikara ny vahoaka raha tsara ny fandaminana eo @ ity seha-pihariana iray ity
Hamoraina sy hafainganina ny famitana ny fanoratana ny tanin’ny Malagasy
Ampidirina ho anisan’ireo tanjona apetraka ho tratrarina ao anatin’ny IRR (Initiative pour les Résultats Rapides) ny Governementa ireo mba hisy vokatra azontsika tsapain-tanana afaka 6 volana.
Izao moa no natao dia hisian’ny fifanomeza-tanana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka hofiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena mba ho Madagasikara  « moderne et prospère ».

Mba ahafahana manatratra izany tanjona tiana hotratrarina izany, etsy andaniny, sy ahafahana manitsy ireo lesoka voalaza etsy ambony ,ankilany, dia ireto no fepetra tokony hirosoana :

    I.        Atsahatra ao anatin’ny fotoana voafetra ny fanomezana « Permis d’exploitation » vaovao, ary na ireo izay mbola tsy nanomboka ny fitrandrahana aza dia voakasik’izany.

  II.        Irosoana faran’izay malaky ny fanavaozana ny Codes Minier et Pétrolier ka kajiana ny fampanoavana ireo soso-kevitra voalaza etsy ambony, ka iezahana ny mandany izany ao anatin’ny 4 volana farafaha-elany

III.        Ao anatin’izay f e-potoana izay no hamitana ny « assainissement du secteur », fanarenana ireo lesoka ara-pitantanana
Isaorana Andriamanitra nanome antsika ireo harena ankibon’ny tany maro samy hafa ireo, fa anjarantsika kosa ny mikajy, mitrandraka ary ny miaro azy ireny, araka ny teniny « Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy ; ary izay nampitehirizina be, dia bebekokoa no hadinina aminy » Lioka 12 :48.

Natao izao mba ho fitsinjovana ny firenentsika sy ho tombontsoa ho an’ny Malagasy tsy vaky volo sy ny taranaka mifandimby.

 

Miandrandra fiaraha-mientana avy amintsika! fa ny agnarandray tsa ahohoka !

 



Tiana compte sur vous aujourd'hui

Tiana RANDRIANASOLOARIMINA a besoin de votre aide pour sa pétition “Zanak'i Fandriana: FANANGONAN-TSONIA HO FAMPITSAHARANA NY FITRANDRAHANA HARENA ANKIBON'NY TANY ETO MADA”. Rejoignez Tiana et 121 signataires.